ActualitésTatitra

Lybie : Nampiato ny fanondranantsolika

Orinasam-panjakana momban’ny solika any Lybie no nanao fanambarana fa hampihato ny asam-panondranana solika iray any an-toerana nohon’ny fananan’izy ireo trosa mbola tsy voahefa ao amin’ny banky foibe. Noraisina io fanapahan-kevitra fampiatoana na teo aza ny fandrosoana politika any an-toerana. “Nampiato vonjimaika ny tobin-tsolika ny tobin-tsolika ao Al-haringa atsinana izahay”hoy ny orinasam-panjakana momban’ny solika tany an-toerana. Antony nampiatoana io tobin-tsolika io ihany koa ny fahatapahan’ny vokatra sy ny fanondranaan solika matetika. Ankoatra izay, porofo ihany koa izao fa manamarina ny asan’ny orinasam-panjakana momban’ny solika ny fanjakana foibe amin’ny fijerena ireo orinasa tsy manara-dalàna sy fifanarahana eo amin’ny samy orinasa.

Laisser un commentaire