SocialTsidika

Miezaka ho fitaratra ho an’ny fanjakana malagasy ny masohivohon’i Japon

Manana ny fahaiza-manaony eo amin’ny fitantanana krizy i Japon. Na samy mbola ao anatin’ny krizy aza ny firenen-drehetra, miezaka mampandroso ny firenena manoloana ny zava-misy izy ireo. Anisan’ny sangany amin’ny fanodinana ireo zavatra efa tsy miasa intsony ho tonga zava-baovao izy ireo. Mitondra fivoarana amin’ny lafiny rehetra any japon izany, tafiditra ao anatin’izany ny lafiny ekolojika sy ny fikajiana ny tontolo iainana, ny lafiny ekonomika sy sosialy. Mitondra fandrosoana vaovao ny fanodinana ireo fako ho lasa zavatra hampiasaina ho vaovao indray. Misy orinasa efa misehatra amin’izany ankehitriny any an-toerana. Na ireo fako avy nampiasaina tamin’ireo mararin’ny coronavirus aza ankehitriny, mbola hain’izy ireo ny mikarakara izany ho tonga zava-baovao indray. Manana masohivoho miasa eto amin’ny tanin’ny Madagasikara ny firenena japon. Efa nandritran’ny fotoana maro izy ireo no niasa tamin’izany. Nametraka fiaraha-miasa mati-paika tamin’ny fanjakana Malagasy izy ireo, ary tsy tambo isaina ny fiaraha-miasan’ny Madagasikara tamin’ny firenena japon. Mbola mitohy hatramin’izao fotoana izao izany ny fifanakalozam-pahalalana sy fiara-miasa amin’izy ireo. Manoloana izao zava-misy izao indrindra no nanoroan’izy ireo zava-baovao indray ho an’ny Malagasy. Nampianatra antsika indray izy ireo amin’ny fitantanana ireo fako sy fitaovana avy nampiasaina ny amin’ny valan’aretina Coronavirus. Tombotsoa amin’izany ny fampianarana antsika hanavaka ireo fako efa tsy tokony hampiasaina intsony sy ireo azo ahodina ho zava-baovao indray. Kendrena amin’izany ihany koa anefa ny hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina indray. Mikasa ny hametraka teknolojia vaovao eny anivon’ny toeram-pitsaboana izy ireo mba hahafahana manavaka ireo fako tsy hampiasaina ireo intsony. Miara-miasa amin’ity tetikasa vaovao ity ny minisiteran’ny fahasalamana, sy ny fikambanana iraisam-pirenena momban’ny orinasa, ny masohivoho japoney.

Fanilo Rarivoarilala 

Laisser un commentaire