Antohomadinika : Mampikolay ny olona amin’ny tsy fandrim-pahalemana
Faritra mena sy tena hatahorana amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana toy ny sinto-mahery sy ny fanendahana raha iny faritra Antohomadinika sy ny manodidina iny. Tsy vitsy ireo olona mitaraina indrindra ny very finday ary misy mametraka fitarainana eny anivon’ny polisin’ny Kaomisarian’ny boriborintany fahefatra. Lasa tsy mandry andro tsy mandry alina ny mpitandro filaminana manara-maso ny eny an-toerana indrindra any amin’ny toerana mampasiaka ny mpanao ratsy. Tamin’ny faran’ny herinandro teo, mpanendaka roa lahy no tra-tehaky ny polisy nandritra ny fisavana izay 18 taona sy 34 taona. Isan’ireo totakely sy jiolahy rain-dahiny ireto tratra ireto ary tena nampitondra faisana ny mponina mihitsy. Natolotra ny fampanoavana ny Talata 20 Avrily lasa teo izy roa lahy ireto ary nadoboka am-ponja avy hatrany etsy Antanimora. Mety hahatonga saina ireo namany izay mbola mialokaloka any ve izao fahatratrarana ny namany izao ? Rahoviana vao tena ho tapitra ny resaka fanendahana amin’iny faritra iny ?
Nicole Rafalimananjara
