Famingavingana zandary tao antalaha
Nahiditra am-ponja ny 15 Aprily teo i Rodolphe, izay tratra tsy nanao arovava sy orona no mbola namingavinga ny zandary teo am-pisavana izany. Efa nomena fampitandremana sy nasaina nanao asa iombonana izy saingy mbola naniratsira sy nanopa ny manam-boninahitra ihany. Natolotra ny fampanoavana avy hatrany ary nampidirina am-ponja vonjimaika tsy misy hatak’andro ity lehilahy ity.
