Ambohimangakely: Hisy ny hetsika ara-pahasalamana, fisafoana maimaim-poana ho an’ireo vehivavy bevohoka
Mitohy hatrany ny hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana atolotry ny kaominina Ambohimangakely. Hisy ny tolotra maimaim-poana ho an’ireo vehivavy mitondra vohoka, ao an-toerana.
« Rehefa eo ny hetsika didim-poitra faobe sy ny fitiliana diabeta dia hisy ihany koa ny echographie ho an’ireo vehivavy mitondra vohoka. Maimaim-poana avokoa izany rehetra izany ary misokatra ho an’ny rehetra » hoy ny tomponandraikitry ny kaominina.
« Manampy betsaka ny vehivavy ny tolotra ara-pahasalamana toy izao. Hanentanana ny voakasik’izany ho tonga maro satria zava-dehibe amin’ny fitondrana vohoka ny fisafoana ary ny dokotera dia anisan’ny mamporisika ny fanaovana izany » hoy i Hanitra, mpiasan’ny fahasalamana.
Ny sabotsy 01 jona moa no hanatanterahana izany hetsika izany, eny amin’ny CEG Ambohimangakely ary hanomboka amin’ny 7ora maraina.
