Solombavambahoaka Giscar Andriano
13 Aprily, 11hOO. Nodimandry ny alin’ny 12 aprily 2021 lasa teo ny solombavambahoakan’ny Madagasikara voafidy tao Manakara. Voalaza fa matin’ny Coronavirus ity solombavambahoaka ity rehefa tao anaty fahasarotana andro maromaro. Mbola nanatrika ny asa famatsian-drano tao amin’ny toby Ankarimalaza aza izy ny 28 Martsa lasa teo.
