Alasora: Misikina fitaovam-piadiana kilalao ireo mpangala-boly
Miseho amin’ny endriny maro ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny kaominina Alasora. Ny herinandro teo, lehilahy iray no tratra teo ampanaovana ny asa ratsiny, dia nanao halatra voly ampamotorona, araka ny voalaza.
« Misikina antsy sy basy kilalao ireo mpangala-boly amin’izao fotoana. Nifanehitra tamin’ny andrimasom-pokonolona nanao fiambenana ny tanàna, teny Mendikolovana anefa ity lehilahy iray ity ka niantsoan’izy ireo ny zandary mpanao fisafoana ihany koa » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
« Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ary isehoan’izany na an-tsaha na an-tanàna. Ny mponina moa dia mandry tsy lavo loha ary miambina ho fiarovana ny tanàna. Hatreto dia nahitam-bokany tokoa ny hetsika andrimasom-pokonolona ary tokony hamafisina hatrany izany ho famaizana ireo tia kely » hoy i Mamy, mpamboly.
Hetsika mahomby ary paik’ady mampilamina ny andrimasom-pokonolona. Ao amin’ny kaominina Alasora, dia miaraka amin’ny hetsika tanamaron’ny fandriampahalemana izany, izay ataon’ny zandarimaria.
