ActualitésTsidika

Anjeva: Hisitraka jiro amin’ny alalan’ny tetik’asa Lead ireo mponina ao amin’ny fokontany Morarano Faliary

Hisitraka jiro amin’ny alalan’ny tetik’asa Lead, izay an’ny orinasa Jirama sy ny mpiara-miombon’antoka aminy,  tsy ho ela ireo mponina ao amin’ny fokontany Morarano Faliary, Anjeva Gara. Tonga tao an-toerana ny herinandro teo ireto farany nampahafantatra izany.

« Noraisin’ny ben’ny tanàna teto amin’ny kaominina ireo solontena avy amin’ny orinasa Jirama sy ny STEG international, izay nampahafantatra ny fiatombohan’ny tetik’asa Lead, hampidirana jiro ho an’ny mponina ao amin’ny fokontany Faliary » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Tena ilaina ny tetik’asa tahaka izao satria manan-jo hisitraka hazavana ny mponina isan-tokantrano. Mbola maro anefa ny tsy misitraka izany noho ny antony samihafa. Anisan’ny olana hita taratra dia ny fahasarotan’ny fikarakarana ny fampidirana jiro sy ny sarany izay tsy takatry ny maro » hoy i Herman, mponina ao Anjeva.

Ny volana jolay izao moa no vinavinaina hahavitan’ny asa amin’ity tetik’asa ity ka afaka hangataka izany isan-tokantrano ny mponina.

Laisser un commentaire