ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ny fifidianana birao mandrafitra ny tranoben’ny tantsaha mpamokatra

Nisy ny fifidianana ireo birao handrafitra ny tranoben’ny tantsaha, tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

« Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana ampahibemaso ireo mpikambana mandrafitra ny biraon’ny tsenan’ny tantsaha eto an-toerana. Lany ho filoha mpitarika izany birao izany i Rakotomalala Edmond  » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny kaominina ny tantsaha. Amin’ny maha kaominina ambanivohitra ihany koa tantsaha no ankamaroan’ny mponina ao, ka rehefa misy ny fandraisana an-tanana sy fikarakarana azy ireo dia manaraka izany ny fampivoarana sy ny fandrosoana » hoy i Avotiana, mpianatra momba ny fampandrosoana ifotony.

Mifototra amin’ny fanohanana ny tantsaha ny fampandrosoana ny kaominina. Anisan’ny manao ezaka amin’izany ny kaominina Ankadikely Ilafy ka izao nametraka birao hitantana ny tranoben’ny tantsaha mpamokatra izao.

Laisser un commentaire