Italie : Mpihanika tendrombohitra roa taraiky tany amin’ny aavo mirefy 3700 metatra, avotra soa aman-tsara
Mahavariana ny fanavotana ireo mpihanika tendrombohitra roa lahy tany Italie, ny fiandohan’ny herinandro teo. Ireo ekipan’ny angidimby Drago 63, izay avy amin’ny sampan-draharahan’ny sidina Piémont, ao amin’ny faritra Italianina manamorona an’i Frantsa sy Suisse, no nanavotra ireo mpihanika an-tendrombohitra frantsay roalahy ireto. Nihitsoka teny amin’ny tendron’ny tendrombohitra ireto farany, izay tao anaty fetra mety hampidi-doza azy ireo. Mahatratra 3841 metatra ny aavon’ity tendrombohitra ity. Tafaanika hatreo amin’ny 3700 metatra amin’izany izy roa lahy ireo, kanefa nanano sarotra ny fidinana sy ny fiverenan’izy ireo noho ny fiovan’ny toetr’andro ka nihitsoka teo. Avotra soa aman-tsara ihany anefa izy roa lahy ireto noho ny fahatongavan’ireo mpamonjy voina ara-potoana.
