Anosy Avaratra: Tafapetraka ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro
Tafapetraka ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro tao amin’ny faritra Andrina, fokontany sy kaominina Anosy Avaratra. Enti-miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana izany, raha ny voalaza.
« Nialohavana dinidinika sy fifanakalozana tamin’ireo mponina ny fametrahana ny jiro teto amin’ny faritra. Ankehitriny, mirehitra ny jiro ary mazava ny tanàna araka ny fangatahan’ny mponina » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Fisaorana feno no atolotra ny tomponandraikitry ny tanàna nanome ireo jiro manazava ny tanàna. Zava-dehibe ho an’ny mponina tokoa izao ary efa ela no niandrasana izany mba ho enti-miady amin’ny asa ratsy vokatry ny haizina » hoy i Fenosoa, mponina ao Anosy Avaratra.
Rehefa mazava ny tanàna, dia misy araka izany ny filaminana sy ny fandrosoan’ny tanàna. Ilaina fikojana sy fanaraha-maso anefa ireny fananana iombonana ireny mba tsy ho lasan’ireo mpangalatra sy tia kely.
