Etats-Unis : Olona efatra maty voatsatoka antsy tao Illinois
Olona efatra no maty ary maherin’ny dimy ireo naratra vokatry ny tsatok’antsy nataon’ny lehilahy iray, tamin’ny toerana samihafa tao Rockford, tao Illinois Etats-Unis. Anisan’ny lasibatra tao anatin’izany fihetsika nataon’ity lehilahy ity izany ny zazavavy iray 15taona, sy renim-pianakaviana 63 taona ary lehilahy miisa roa 49 sy 22 taona, araka ny nambaran’ireo polisy Amerikanina. Lehilahy iray 22taona, izay noahiahiana, no notanana am-ponja vonjimaika taorian’ny nisehoan’izany tranga izany. Tao anatin’ny tontolo andron’ny alarobia, nitrangan’io hatrany, dia naharay antso maro ireo polisy tao Rockford mahakasika ny fisian’olona miditra an-trano tsy nahazoana alalana, hanafika. Vehivavy iray marary mafy, avy nahiditra hopitaly no lasibatra tamin’izany, saingy voavonjin’ny mpandalo. Ity olona nanavotra ity izay niharan’ny vono ka naratra ihany koa.
