Indonesie : Olona miisa 26 maty vokatry ny tondra-drano
Tondra-drano, niampy fihotsahan-tany no niseho tao amin’ny nosy Sumatra, any Indonesia, ka nahafaty olona miisa 26 ; 11 kosa ireo tsy hita, araka ny tatitra navoakan’ireo mpamonjy voina any an-toerana. Ora-mikija no nahatonga ity tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny distrikan’i Pesisir Selatan, any amin’ny faritr’i Sumatra andrefana ity. Olona maherin’ny 75.000 no tra-boina vokatr’izany. Tao amin’izay faritra izay hatrany, fa tao amin’ny distrikan’i Padang Pariaman, dia olona 23 no namoy ny ainy ary 6 no tsy hita popoka. Mbola ahiana ny hitomboan’izany taha izany, raha ny nambaran’ireo tomponandraikitra hatrany. Manano sarotra amin’ny famonjena ireo mponina moa ny fahatapahan-jiro vokatry ny fahasimbana foto-drafitr’asa sy ny toetr’andro, izay tsy mitsahatra ny orana hatramin’ny omaly, raha ny voalaza.
