Chine : « Henatra» raha mbola mitohy ny ady ao Gaza
Henatra ho an’izao vanim-potoana izao, ny fitohizan’ny ady mitera-doza eo amin’ny olombelona hatrany ao Gaza, amin’izao fotoana, hoy ny ministry ny raharaham-bahiny, ao Chine. Niantso ny hanatsaharana ny ady tsy misy hatak’andro ao Gaza ity firenena ity, omaly alakamisy. « mitondra henatra ho an’ny fiaraha-monina amin’izao fotoana » ny ady eo amin’ny Israely sy Hamas, izay hiditra amin’ny fahaenim-bolana izao no nisian’ny ady teo amin’ny roa tonta,na dia efa teo aza ny fanelanelanana nataon’ny firenena samihafa mba hanatsaharana ny ady. Nisy ny fivoriana nataon’i Etats-Unis, Qatar ary Egyptes, saingy tsy mbola nahavaha ny olana hatramin’izao, na ny fifanarahana ny ampitoniana izany mialohan’ny « ramadan » izay volana natokan’ireo mpino silamo hifadian-kanina, manomboka ny alatsinainy izao. Hatramin’ny alarobia teo, nisy hatrany ny daroka baomba, izay nahafatesan’olona 81 tao Hamas. Tsy mitsahatra ny mamely ireo tafika Israelianina tao anatin’izany. Etsy ankilany, ny zoma teo no nifandinika ny hampitoniana ny ady ireo firenena voalaza etsy ambony, niaraka tamin’ireo delegasiona avy ao Hamas, saingy tsy nahatonga solotena kosa i Israely.
