SocialTatitra

Soudan : Mananontanona ny firenena ny fisian’ny krizy ara-tsakafo

Efa ho 11 volana izao no nanjaka ny ady tao Soudan. Maro ny foto-drafitr’as potika sy rava tao an-toerana vokatr’izany ary mety hiteraka hatramin’ny krizy ara-tsakafo izany, araka ny nambaran’ny avy amin’ny programa iraisam-pirenena momba ny sakafo (PAM). Olona an’alina no efa namoy ny ainy tao amin’ity firenena ity vokatry ny ady. An’alina ihany koa ireo efa nifindra monina. Amin’izao fotoana, lasa fiainana andavan’andron’ireo mponina Soudanais, 48 tapitrisa,  ny miaina miaraka amin’ny daroka baomba, ny fanapoteraha ireo foto-drafitr’asa, ny fanolanana sy ny fandrobana ary ny fifindra-monina an-tery. Raha tsy misy fisataharana anefa io ady ao an-toerana io dia mety hiafara hatramin’ny krizy ara-tsakafo izay tsy mbola nisy hatramin’izay izany.

Laisser un commentaire