Anosy Avaratra : Niara-nientana tamin’ny fambolen-kazo ny ministeran’ny fanabeazana sy ny mpianatra
Tonga tao amin’ny kaominina Anosy Avaratra ny avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny herinandro teo, hanatanteraka ny fambolen-kazo. Niara-nientana tamin’ny mpianatra tao Isahafa izy ireo nandritra izany. Nanatrika izany tao an-toerana ihany koa ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina.
« Nohamafisina nandritra ny fandalovan’ny ministra tao an-toerana ny fangatahana mba hanaovana EPP manara-penitra ho an’ny rehetra. Ankoatra izay, ny fanamafisana ny fanamboarana ny terrain d’athlétisme ahafahana manao ny fanadinana ara-panatanjahan-tena BEPC sy Baccalauréat, ny fanatsarana ny toeram-pitsaboana nify ary ny fampidirana mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Zava-dehibe ho an’ny sekoly, indrindra ho an’ny mponina ny fandalovan’ny ministra teto an-toerana. Hirariana hitondra fivoarana ho an’ny rehetra ny vokatr’izany » hoy i Nirina, mponina ao Anosy Avaratra.
Maro ireo foto-drafitr’asam-pampandrosoana ilain’ny mponina ao an-toerana. Anisan’ny manao ezaka amin’ny fanatanterahana izany ny tomponandraikitra ao an-toerana. Amin’izao fotoana moa dia ao anatin’ny fiaraha-mientana amin’ny fanamboarana ny kianja ny tomponandraikitra.
