ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Nanolotra masomboly sy zezika ho an’ny tantsaha tao Morarano ny Association Mitia-soa

Nitohy tao amin’ny fokontany Morarano ny hetsika ara-tsosialy nataon’ny fikambanana Mitia-Soa, ao aminlny kaominina Ambohimanambola. Nitodika manokana tamin’ireo tantsaha ny fanomezana natolotry ny fikambanana tamin’ity andiany ity, araka ny voalaza.

« Zezika organika 250 kilao no natolotra ireo mpamboly teto amin’ny fokontany Morarano. Ankoatra izay, notolorana masomboly vilona Ray grass 15 kilao ihany koa ireo mpiompy teto an- toerana » hoy ireo avy amin’ny fikambanana.

« Efa ela no niandrasan’ny mponina ny hetsika tahaka izao. Tsy mbola nisy ny tahak’izao ka hisaorana feno ny fikambanana nanohana sy nitondrana fanampiana ho an’ny tantsaha satria manosika sy mamporisika ny fampandrosoana ny famokarana izany » hoy i Louisette, mpamboly.

Ankoatra ny fizarana zezika ho an’ny mpamboly tao an-toerana ity moa dia nisy ihany koa ny fametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa telo tao amin’ny fokontany hatrany mba hanazavana ny tanàna.

Laisser un commentaire