Alasora : Mpangalatra tao amin’ny trano andalam-panamboarana, saron’ny polisy
Lehilahy iray, mpangalatra tao amin’ny trano andalam-panamboarana, tao amin’ny fokontany Ambodivondava, no tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny polisy rehefa nanao fisafoana izy ireo, ny faraparan’ny herinandro teo. Efa mpiasa taloha tao amin’ilay trano ity mpangalatra ity, araka ny voalaza.
« Tamin’ny fotoana nanaovana ny fisafoana dia naharay antso avy amina mpiambina iray ny Polisy eto anivon’ny Commissariat de Police Alasora ny sasakalin’ny faha 22 ny volana febroary 2024 lasa teo fa misy olona tafiditra tao amin’ilay trano ambenany tao Ambodivondava Alasora, izay marihina fa trano mbola eo andalam-pahavitana » hoy ny avy amin’ny kaomisarian’Alasora.
« .Tsy nisalasala ny Polisy ka avy hatrany dia namaly ny antso ka tonga teny an-toerana nijery ifotony ka hita niafina tao amin’ilay trano ilay mpangalatra izay marihina fa efa mampitaraina ny tompon’ny trano fa efa matetika no misy fitaovana very amin’io toerana io. Nandritra izany moa no tonga koa namaly ny antso ny eo anivon’ny Zandarimaria eto Alasora rehefa nahazo antso ka tratra soa aman-tsara ilay mpangalatra izay marihina fa efa mpiasa tao amin’io trano io taloha, ary efa nigadra ihany koa. » hoy hatrany ny fanazavana.
Nentina teny amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny polisy Alasora moa ity mpangalatra ity taorian’izay, nanaovana ny fanadihadiana. Raha misy ny tranga hafahafa na tsy fandriam-pahalemana, dia afaka atao hatrany ny miantso ny mpitandro filaminana amin’ny laharana 0340553108, 0340751719.
