SocialTatitra

Australie : Mponina an’arivony nafindra toerana vokatry ny doro tanety any atsimon’ny firenena

Miatrika vanim-potoana sarotra ny firenena ao Australia amin’izao fotoana. Mbola mitohy ny fahamaizan’ny ala sy ny doro tanety any an-toerana. Tao anatin’ny herinandro izao, mananika ny 10.000 hektara ny velaran’ala may sy tany fambolena ravan’ny afo vokatry ny doro tanety goavana, tao amin’ny faritr’i Victoria. Na dia eo aza ny famonoana ny afo ataon’ireo mpamonjy voina an’aliny miasa any an-toerana sy ny fampiasana ireo angidim-by hamonoana ny fo ; dia tsy ampy hamonoana ny firedaredan’ny afo any an-toerana izany. Manoloana izany toe-javatra izany, nandray fanapahan-kevitra ireo manam-pahefana tany an-toerana ny hanala ireo mponina an’arivony sy ireo vondrona samihafa any an-toerana izay rava fananana vokatr’ity loza ity, ho fiarovana ny ain’izy ireo.

Laisser un commentaire