Alasora: Nahazo dabilio avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny CEG Alasora
Tonga tao amin’ny CEG Alasora ny avy amin’ny ministera misahana ny fanabeazam-pirenena tamin’ity herinandro ity. Nanolotra dabilio miisa 200 ho an’ny sekoly izy ireo nandritra izany.
« Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny fanabeazana sy ny fampianarana ny fampitaovana ny sekoly tahaka izao. Hisaorana ny ministera ary hirariana hitohy hatrany izany mba hampivoarana ny lafin’ny fampianarana » hoy i Andry, mpampianatra.
« Zavatra toa izao no ilàna ny ministera. Maro ireo sekoly tsy zarizary na tsy manaraka ny fenitra ilain’ny fampianarana eto amintsika ka tokony jerena manokana izy ireny » hoy i Soatiana, mpilatsaka an-tsitrapo.
Ao anatin’ny fanamby ataon’ny ministera ny fanohanana ny sekoly eo amin’ny ara-pitaovana sy ara-materialy. Samy mahazo ny anjara tandrify azy araka izany ireo sekoly eny ifotony.
