SocialTatitra

France : Nisy ny fahatsiarovana ilay mpampianatra maty notsatohan’ny mpianany tamin’ny antsy

Feno erin-taona, omaly alakamisy ilay tranga nampivarahontsana niseho tao amin’ny sekoly katolika iray tany atsimo andrefan’i Frantsa. Mpampianatra iray, Agnès Lasalle, no maty notsatohan’ny mpianany antsy teo am-panazavana ny lesona, tao amin’ny sekoly Saint-Jean de Luz. Nisy ny fotoana fahatsiarovana izany omaly, tao amin’ny Centre culturel Peyuco Duhart de Saint Jean de Luz, ary ho apetraka tsy ho ela ny takela-pahatsiarovana ity mpampianatra ity. Mahakasika ialy mpianatra nahavanon-doza kosa amin’izao fotoana, dia notanana am-ponja vonjimaika izy ary mitohy ny fanadihadiana azy mahakasika ny tena antony nanaovana izany fihetsika izany.

Laisser un commentaire