Manandriana: Roa lahy tratran’ny fokonolona nandritra ny fiambenana amin’ny alina
Nahazo vahana ny halatra voly tato ho ato tao amin’ny kaominina Manandriana. Manoloana izany, nanatanteraka fiambeanana isan’alina ireo fokonolona tao an-toerana. Vokany, roa lahy no tratran’ny fokonolona nangalatra voatabia sy katsaka.
« Nahitam-bokany ny fiaraha-mientan’ny mponina sy ny mpitandro filaminana tao anatin’ny hetsika tanamaron’ny fandriampahalemana. Ny 11 febroary teo tokony tamin’ny 3ora maraina no tratran’ny fokonolona teo am-pangalarana ireto roa lahy ireto. Efa maro ireo niharan’ny halatra voly am-potorana ka nahatonga izao fiaraha-mientana izao » hoy ny avy amin’ny brigadin’ny zandarimaria Sabotsy Namehana.
« Taratry ny fahantrana sy ny fisian’ny fandraisana an-tanana ny tanora, indrindra ny asa no tena mahatonga izao. Manjaka loatra ny tsy fandriam-pahalemana ary ireo vahoaka madinika no mifamely am-pitoerana ao anatin’izany. Samy mila tonga saina ary mila mametraka drafitra ny tsirairay samy tomponandraikitra satria ny ho avin’ny taranaka no potika » hoy i Fidy, nianatra momba ny fiaraha-monina.
Taorian’ny nahatratrarana azy roa lahy moa dia natolotra ny zandarimaria avy ao Sabotsy Namehana avy hatrany izy ireo. Marihina moa fa tao Ambohipananina, kaominina Manandriana no nisehoan’ity tranga ity.
