Ambohimangakely : Voasambotra ireo andian-jiolahy tomponandraikitra tamin’ny vaky trano tao Ambohidehilahy
Saron’ny zandary avy ao amin’ny biragdin’Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo ireo jiolahy, hikoizana amin’ny vaky trano, tao Ambohidehilahy,kaominina Ambohimangakely ihany. Efa hatramin’nytaona 2022 no efa nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny, ka izao tratra izao rehefa nidina ifotony nanao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny zandary.
« Ny 22 janoary 2022 no nitrangana vaky trano tao Ambohidehilahy, Ambohimangakely. Nidina ifotony ny zandary ka nahatsikaritra trano rava foana sady haolo teo amin’ny manodidina. Nosavain’ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny brigady Ambohimangakely ity trano ka sarona teo am-pifohana rongony ny tovolahy anankiroa. Sarona tao anatin’io trano rava io ihany koa ny sombintsombiny amin’ny karazana entana azo tamin’ny halatra, miampy vovoka rongony 300 grama » hoy ny avy amin’ny zandraimaria.
« Groupe motopompe roa no very tao anatin’ilay trano vaky ka hita teo akaikin’io trano rava io ny diany, ary ireo tapatapaka tuyau koa mbola tao anaty trano. Nanondro namana 3 hafa izy roalahy nandritra ny fanadihadiana azy. Ireo mponina dia nanamafy fa tena jiolahy mpamaky trano izy ireo ary nisy nahita ihany koa ny nitondran’izy ireo ilay groupe very sy boatina loko » hoy hatrany ny fanazavana.
Rehefa natolotra ny fitsaranamoa ireto jiolahy ireto dia nahazo sazy, ka notanana am-ponja vonjimaika avy hatrany ny efetra tamin’izy ireo. Nahazo fahafana kosa ny iray.
