ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mitohy ny ezaka amin’ny fanalana ny fako ao an-toerana

Mitohy hatrany asa fanalana ireo fako eny amin’ireo toerana voatokana ho amin’izany, ataon’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ny fanombohan’ny herinandro teo, teny amin’ny vakim-paritra Andranomena no nanatanterahana izany asa fanadiovana izany.

« Hisaorana manokana ny ezaka ataon’ireo ekipa mpanadio sy mpaka fako ary ny tomponandraikitra eto amin’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy izay miasa 7 andro amin’ny 7 andro. Afaka ny fako eto amin’ny vakiparitra Andranomena ary ny asa fanadiovana dia hitohy hatrany amin’ireo toerana samihafa natokana ho amin’izany » hoy ireo avy amin’ny kaominina.

« Ny fanentanana ny rehetra kosa amin’ny fanajana ny fahadiovana dia hamafisina hatrany. Ny toerana fanariam-pako na ny « Bac à ordure » dia tsy natao hanariana maloto izay tokony ho an’ny amin’ny toeram-pivoahana (W.C.), tsy natao hanariana vakina tavohangy na zavatra mety hitera-doza na fipoahana na « Chimique », na fako avy amin’ny orinasa isantsokajiny » hoy hatrany ny fanazavana.

olana mahatonga ny fitobian’ny fako ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny fiara manala ny fako tao an-toerana. Noho ny fiaraha-miasa sy ny ezaka nataon’ny tomponandraikitra anefa dia mitohy tsikelikely izany asa fanesorana ny fako izany amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire