Haïti : Potiky ny fanafihan-jiolahy ny renivohitra Port-au-Prince
Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny faritr’i Solino, any atsimon’i Port-au-Prince sy ireo faritra hafa ao an-drenivohitr’i Haïti, nanomboka ny alahady, 14 janoary teo. Nihamafy izany fanafihana izany hatramin’ny alakamisy teo. Tsy mandry fahalemana any an-toerana. Nanambara ireo vavolombelona fa maro no efa namoy ny ainy vokatr’izany fanafihana izany. Mba hiarovana ny tenan’izy ireo, dia nanao barazy manerana ny renivohitra sy ny manodidina ny mponina. Araka ny nambaran’ny tale mpanatanteraka, eo anivon’ny « Réseau national de défense des droits humains » , tsy latsaky ny roaplo teo ny olona efa maty hatramin’ny nisian’ny fanafihana tany an-toerana.
