Mila fifidianana ho Ben’ny tanàna vaovao i Nosy Be ankehitriny
Tontosa ny taona 2019 lasa teo ny fifidianana ho Ben’ny tanàna manerana ny Nosy. Efa nanao ny asa manandrify azy amin’izany toerana izany ireo Ben’ny Tanàna voafidy tany amin’ny Kaominina tsirairay. Ankehitriny anefa korotana tanteraka ny ao Nosy Be noho ny fifidianana ny 2019 iny. Voatery natsahatra tamin’ny asany ny Ben’ny tanàna am-perin’asa amin’izao, Vita Gilbert izay voafidy tamin’ny alalan’ny IRK (Miaraka amin’i Andry Rajoelina). Izany fanampahan-kevitra izany no noraisin’ny Filankevim-panjakana na ny CE. Gaga sy talanjona tanteraka ny vahoaka any an-toerana manoloana izao fanapahan-kevitra vaovao izao ary mbola tsy nisy teto amin’ny tany sy ny firenena. Inona marina ny zava-niseho ? Ny alatsinainy 15 martsa 2021, nametraka fitoriana ny kandida, Dahali Tiandrazana, izay tsy nahazo hafa tsy vato miisa 500 eo, manodidina 5% tamin’ny mpifidy tonga nandatsa-bato. Nangataka ny fanafoanana ny vato azony Ben’ny tanana voafidy tamin’iny fifidianana iny ny tenany. Ny talata 30 martsa 2021, namoaka didim-pitsarana ny CE. Fanapahana (arrêt) izay nanafoana ireo vato tamin’ny Biraom-pifidianana (BV) 85 amin’ireo BV 87 nisy tany an-toerana. Vokatr’izany nitsimbadika tanteraka ny voka-pifidianana. Lasa ny kandida laharana fahatelo no mpandresy tampoka. Ny zoma 2 aprily lasa teo iny rahateo, nahazo ny filazana mahakasika ity fanapahana ity ny Ben’ny Tanana amperin’asa, Vita Gilbert. Raha tsiahivina dia toy izao ny voka-pifidianana Ben’ny Tanana tao Nosy Be tamin’ny 2019 : 10.250 ireo tonga nandatsa-bato raha nahazo 5.225 vato i Vita Gilbert izany hoe 51% amin’ireo tonga nandatsa-bato ; i Aly Aboudou kosa no nahazo ny 3.602 (35%) ary nahazo vato 507 (5%) i Tiandrazana Dahali. Nandresy tamin’isa mazava i Vita Gilbert ary tafapetraka ho Ben’ny Tanana nanomboka ny volana janoary 2020.Toy izao kosa ny famoanana ny vatom-pifidianana nataon’ny CE ny talata 30 martsa 2021, izay nampiova tanteraka ny voka-pifidianana. Tsy miova ny isan’ny nandatsa-bato fa i Vita Gilbert nahazo vato 107 satria nofoanan’ny fitsarana avokoa ny vato azony izay miisa 5.118. i Aly Aboudou kosa nahazo 68, nofoananan’ny fitsarana ny vatony miisa 3.534. Raha i Tiandrazana Dahali no nahazo ny 507, tsy nisy nanombinana ny vato azony, ary izy no voatondro ho voafidy ho Ben’ny Tananan’i Nosy Be. Izany vato 9000 tamin’ireo 10000 mahery no nofoanana, hanao ahoana ny fanapahan-kevitra farany ? Tsy mendrika ve raha averina mihitsy ny fifidianana ? Vato miisa 507 ve no azo dia hanana lanjany amin’ireto mpifidy miisa 10250 ? Izay tsy atsasany aman’ila akory ? Ahiana ho hisy ny hetsika ataon’ny vahoaka any an-toerana noho izao zava-misy izao.
