Sabotsy Namehana : Zazarano tokony ho enim-bolana, hita nisy nanary tao Soaniedanana
Tranga nanaitra ny mponina tao amin’ny fokontany Soaniedanana, kaominina Sabotsy Namehana, ny harivan’ny alarobia teo, ny fahitana fatin-jazakely mbola tsy hary, na zazarano, tokony ho enim-bolana eo, teo amoron-drano. Ireo ankizy sendra nilalao no nahatsikaritra harona sachet mainty, ka nitatitra izany tamin’ireo ray aman-dreny mba hijery ny zava-misy.
« Tsy fantatra mazava ny olona mety nahavanonana izao loza izao. Ny mponina tety amin’ny manodidina ihany koa tsy nahatsikaritra ny olona mety nahavita izany. Tombanana ho tamin’ny andro alina no nanariana azy, na ihany koa anefa navalon’ny rano fa izao tafapetraka teto amin’ny fokontany Soaniedanana izao » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny fokontany.
« Mampalahelo ny trangan-javatra tahaka izao, kanefa dia anisan’ny tranga miseho matetika eto amintsika. Mila beazina ny tanora eto amintsika ary mila fanentanana amin’ny fitondra-tena satria ain’olombelona no resaka eto. Tsy voahaja intsony ny zo aman-kasina fa lasa sahy ratsy noho ny tsy fisiana na fampiarana ny lalàna ihany koa no olana mahatonga izao » hoy i Miora, mpirotsaka an-tsitrapo momba ny zon’ny vehivavy.
Noraisin’ny kaominina an-tanana moa ny fikarakarana ity fatin-jazakely ity. Nitondrana lamban-drazana, nofonosina ary nentina nalevina teny Manantenabe, toerana fandevenenana ireo vahiny lavin-kavana ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana.
