Ambohibato Ambohimanambola : Toerana niantombohan’ny fomba Malagasy
Manodididna ny 15 km miala ny renivohitra no misy an’Ambohibato. Maro ny toerana kely manan-tantara eny an-toerana. Fokontany iray mandrafitra ny kaominina Ambohimanambola izy, ary manana ny maha izy azy raha mitaha amin’ireo fokontany hafa ao an-toerana.
Raha ara-tantara dia ity tanàna ity no tena niandohan’ny fomba amam-panaon’ny Merina, izay niainga tamin’ny vato avokoa. Raha araka ny anarany mantsy hoe « Ambohibato » dia tsy maintsy misy hifandraisany amin’ny vato izany io anarany io.
Raha ny fanazavan’i Haja mpahay tantara dia « vohitra nofidian-dRafohy sy Rangita Ambohibato, mba hanamarihana ny fomba amam-panao malagasy rehetra eto Imerina : ny famorana sy ny fanosorana mpanajaka. Feno vato karangana eo amin’ny tendrombohitr’Ambohibato, ary fahiny aza raha misy fasana na fiangonana manangana trano dia ny vato amin’io tendrombohitra io no akodia midina makany ambany hatao vato fototra. Efa tamin’ny andron-dRafohy sy Rangita no nisy izany tanàna izany, ary ny andriana Andrianandritany kosa no nonina sy nipetraka tao fahiny tamin’ny andron-dRalambo, ary na ny fasany aza dia mbola tazana ao ankehitriny ».
Tamin’ny andro taloha dia isaky ny fito taona no fanaovana ny famorana, ary ny zank’andriana no nanombohana izany. Io vato fanaovana famorana io no antsoina hoe « Ambatonjaza ». Zanak’andriana maro no noforaina voalohany teo, ary ny mpanjaka sasan-tsany aza dia noforaina teo mihitsy. Teo Ambohibato koa ny fanaovana ny famonoana omby volavita rehefa fotoanan’ny Asaramanitra, ary teo koa no fanombohana ny arendrina iraisan’ny rehetra rehefa Asaramanitra.
Raha ny baiko napetraky ny Mpanjaka dia tsy azo ametrahana olona eo amin’ny vohitr’Ambohibato, fa toerana natao hanamarihana ny fomba amam-panao fotsiny ihany. Noho ny fifanarahana nisy teo amin’ny Andrianandritany sy ny mpanjaka Ralambo anefa dia teo amin’io toerana io no nanafenana ny zanak’andriana Andrianandritany, izay antsoina hoe Andrianjohy. Mazava hoazy fa misy olona manasina sy manao fanompoana eny an-toerana rehefa misy zavatra ataony na misy hetsika fanasinana atao.
Voahodidina hadivory dimy sosona ity tanàna ity, ary efa tany amin’ny taona 1540 tany no nisian’io hadivory io. Latsaka afovoan’ny vohitra masina maro izy, ary tamin’ny fotoana nanjakan-dRalambo dia dia maro ny vohitra tsy nanaiky ho tantanany, ary isan’izany Imerikasinina. Andrianandritany no nirahiny hanafika mba haka ny fanjakana tao an-toerana. Resy tamin’izany ady izany Imerikasinina, ary nametrahan’izy ireo vato iray eo Ambohibato ary natony nitodika tany Imerikasinina izany.
Rehefa niamboho ny andriana Andrianandritany dia tao amin’ny tanàna iray tao anatin’Ambohibato ihany izy no nafenina. Misy fomba iray mampiavaka ny vohitr’Ambohibato : rehefa mandevina, ka miakatra ny tendrombohitra dia misy vato iray fialàna sasatra eo anelanelan-dalana, ary ajanona eo ny vatam-paty ka atodika mianavaratra ny lohany ary atao mianatsimo ny tongony. Ao Ambohitrony no anantanterahana izany fomba izany, dia tsy aiza fa ao amin’ny toeran ilevenan’ny Andrianandritany. Lasa doany na nohamasin’ny olona kosa io toerana io amin’izao fotoana, ary toerana fanaovana sorona ihany koa ho an’ireo olona mpanao ny fomba Malagasy. Mbola hita ao koa ny trano fito miandalàna, izay fasana ilevena’ny taranaky ny andriana Andrianandritany.
I Ankazonaorina na Ankamory dia mbola tafiditra ao anatin’ny tanànan’Ambiohibato. Rehefa tsy nahomby tamin’ny fitantana ny zokin’Andriamasinavalona dia niady ny olona ny hanosorana ny zandriny. Tsy nanaiky moramora anefa ny zokiny ka niady izy ireo. Resy ilay zokiny ka teo Amkazonahorina no nandreseny ny zokiny dia nataony anaran’ny tanàna izany.
Ratsitahana na tompimenakely koa dia milevina ao Ambohibato, zanak’Andrianampoinimerina izy io.
Mbola manaja sy mandala izany atao hoe « valintanana » izany ny olona Ambohibato, ary miara-miasa amin’ny olona eny Ambohimanambola, izay kaominina misy azy.
Toerana mana-tantara sady mahaliana ny vohitr’Ambohibato, manana ny maha izy azy izy raha amin’ny lafiny rehetra, manana mponina ihany koa izy na somary vitsivitsy azy. Toerana mana-jina izy fa azon’ny olona rehetra tsidihana.
