Torohevitra : Tombotsoa entin’ny angivy
Ny angivy dia manasitrana ireo aretina maro samihafa. Ahitana antioxydant sy ny fibre ity vokatra iray ity. Izany hoe tena manampy betsaka amin’ny fahatsaran’ny vatana amin’ny ankapobeny ireto singa hita ao aminy ireto. Ny fibre ao anatiny ohatra dia manatsara ny fiasan’ny taova toy ny vavony sy ny tsinay. Tsy mampiakatra ny tahan’ny siramamy ao anaty rà ny fihinanana angivy matetika.
Noho izany dia afahana misoroka ny aretina diabeta. Manala ny cholestérol ary miaro ny fo sy ny lalan-drà, fa indrindra ny fiakarany tosi-drà tampoka, izay mety hiafara amin’ny fahatapahan’ny lalan-drà mihitsy aza. Ankoatra izay dia manampy amin’ny fisorohana ny homamiadana sy ny fahaverazan-drano ao anaty vatana sy manatsara ny fisian’ny voa, manala rivotra ao anaty kibo, misoroka ny goty vokatry ny fihinanana sakafo matsiro sy ny maro hafa.
Aorian’ny fety tahaka izao dia tsara ny manao ron’angivy, hanalana ireo sakafo mavesatra sy ny menaka tamin’ny fety.
