ActualitésTsidika

Alasora: Nametraka takelaka aroloza ny avy amin’ny kaomisarian’ny polisy

Nirotsaka an-tsehatra, nametraka takelaka famantarana aroloza ireo mpitandro filaminana, avy ao amin’ny kaomisarain’ny polisy Alasora, ny alatsinainy teo. Teny amin’ireo toerana matetika hitrangan’ny loza, izay mampitaraina ny mponina no nametrahana izany, araka ny voalaza.

“Nohon’ ny fisian’ ny trangana lozam-pifamohivozana izay mateti piseho eto Alasora dia nametaka ireo aro loza na panneau de signalisation routière izahay eto anivon’ny commissariat de Police Alasora ho fiarovana ny ainy mpampiasa lalana sy ho fisorohana ny mety ho loza hitranga indrindra fa mandrindra izao vanim-potoana hiavian’ny orana izay antony iray mampalama ny lalana” hoy ny avy ao amin’ny kaomisarian’ny polisy.

“Efa ela tokoa ny niandrasana ny handraisana fepetra tahaka izao. Efa be loatra ny loza niseho tato ho ato ka hisaorana ny tomponandraikitra. Ilaina ny fiaraha-mientana sy ny fifampitaizana ao anatin’izany” hoy i Onja, mpamily.

Ao anatin’ny fametrahana izao aro loza izao moa dia sady manao fanentanana ny polisim-pirenena amin’ny tokony hitandreman’ny mpampiasa lalana indrindra fa ireo mpitondra fiara, ny hafainganam-pandeha ho fisorohana ny loza isan-karazany.

Laisser un commentaire