SocialTatitra

Iran : Fivorian’i Téhéran sy ireo mpandray anjara amin’ny fifanekena nokleary

Mikarakaraka fivorian’ny vaomiera iraisampirenena amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra (video conférence) ny vondrona eoropena ny zoma 2 aprily. Izany no natao mba entina andinihina sy hiresahana mahakasika ny fifanarahana nokleary Iraniana natao tamin’ny taona 2015 sy ny mety fiverenan’ny Etazonia ao amin’ny tetik’asa. Nandray anjara tamin’io fivoriana tamin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra io avokoa araka izany i Chine, Russie, France, Germany, Royaume Uni ary Iran. Nanambarana ny lohan’ny diplaomasia eropeana fa hotarihina amin’ny anaran’ny solontena ambonin ny EU (Lehiben’ny diplaomasia) Josep Borrell, avy amin’ny sekretera jeneraly lefitra ny komisiona iraisana. Hanampy azy ihany koa ny talen’ny politika ao amin’ny sampandraharaha misahana ny asa ivelany, Enrique Mora, ary hiaraka hamory ny solontena avy any Chine, France, Germany, Russie, Royaume Uni ary Iran. Hifanakalo hevitra momba ny fiverenan’i Etazonia any amin’ny JCPOA sy ny fomba hiantohana ny fampiharana feno sy mahomby ny fifanarahana ataon’ny ankolafy rehetra araka izany ireo mpandray anjara.

Laisser un commentaire