Ejeda Ampanihy: Voasambotra ireo mpangalatra voamaso
Tao aorian’ilay halatra voamaso natao tamin’ny tovovavy 16 taona tao Ejeda, distrikan’Ampanihy. Voasambotra i Babota sy Esoatilike mpangalatra voamaso. Vokatry ny fikarohana izay natao; tratran’ny fokon’olona ireo olon-dratsy; efa natolotra ny manampahefana. Efa nahazo ny fitsaboana eny amin’ny toeram-pitsaboana soa aman-tsara ilay tovovavy niharan’ny fangalarana voamaso.
« Niaiky ny heloka vitany izy roalahy ireo tao aorinan’ny fanadihadiana natao azy. Ny iray tamin’izy ireo no voalaza fa mahafantatra ilay olona maniraka sy mandray ny voamaso halatra azony. Mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy.” Hoy ny mpitandro filaminana.
“Mangataka ny manampahefana mba hanao fanadihadiana lalina mahakasika izao tranga izao. Mila fongorina hatramin’ny fotony; manomboka any amin’ilay olona maniraka azy ka hatramin’ilay mpividy. Matahotra izahay vahoaka, ampanjakao ny fahamarinana.” Hoy ireo mponina.
Roa vavy izy ireo no niaraka tamin’io fotoana io. Maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny iray.
