Nodimandry ny Mpitandrina Rahagalahy Andriamiadanarivo.
16 oktobra; Nodimandry alina teo amin’ny faha 68 taonany ny Mpitandrina Rahagalahy Andriamiadanarivo. Mpitandrina tao amin’ny FJKM Ambondrona Firaisana no nahalalana azy; izy no nanangana sy nitarika ny antokom-pihira ara-pilazantsara Ny Mpitory. Mpamoron-kira sy nandrakitra am-peo ireo hira tao anatin’ny fihirana fanampiny FJKM. Handrasana etsy amin’ny FJKM Ambondrona Firaisana ny nofo mangatsikany.
Mirary fiononana feno ho an’ny ankohonany sy ny fianankaviany ary ny fiangonana manontolo.
