Analakely: Tranomboky monisipaly vaovao.
Nisokatra nanomboka ny 09 oktobra 2023 ny tranomboky monisipaly vaovao etsy Analakely. Ahitana boky maro isan-karazany izay sahazan’ny zokanjin-taona rehetra. Miisa 4 arivo mahery eo ho eo ny boky hita ato anatin’ny tranomboky monisipaly vaovao ity. Ankoatra izay; ahitana solosaina sy tablette ihany koa ao an-toerana.
“Ahitana hefitrano famankiam-boky sy toerana fandraisan “club de lecture”. Misy toerana natokana ho an’ny ankizy ihany koa ato anatin’ity tranomboky monisipaly ity.” Hoy ireo tomponandraikitra.
“Ilaina ny toerana toa itony hahafahanay tanora manao fikarohana sy ahafahan’ny ankizy miala voly. Ahafahan’ny olona mampitombo fahalalana sy mampitombo fahaizana ny toerana toa itony; mankasitraka ireo tompon’andraikitra.” Hoy i Lila, tanora.
Tetikasa niarahan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ny “region île de France” sy ny ambassade du japon.
Sitraka R
