Kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza: Zazalahy 15 taona novonoina tamin’ny fomba feno habibiana
Zazalahy kely 15 taona, antsoina hoe Mirado no hita faty ny 03 septambra teny amin’ny tendrombohitra Tsiankaranosy, kaominina Antanetibe Mahazaza. Nirahana nividy kafe izy ny 2 septambra tokony tamin’ny 02ora tolakandro saingy tsy niverina intsony. Naharay hafatra ny ray amandrenin’ity farany ka nitakian’olona vola mitentina 1.500.000ariary raha te ahazo azy velona. Ny fanadihadiana nataon’ireo zandary avy ao amin’ny Poste Avancé Mahazaza sy Brigade Mahitsy dia tratra ilay nahavanon-doza, izay lehilahy iray vao avy namita sazy nandritra ny 15taona tao Antanimora. Niaiky ny heloka vitany ity lehilahy ity.
