Ankadikely Ilafy: Nahafa-po ny filalaon’ireo ekipa voafantina
Tsara ihany koa ny voka-dalao nasehon’ireo mpilalao voafantina misolo tena ny kaominina Ankadikely Ilafy, nandritra ny fifaninana ara-panantanjahan-tena eo amin’ny taranja basket-ball, eto amin’ny distrika Avaradrano, ny faran’ny herinandro. Faly ary afa-po tamin’ny filalaon’ireo ekipa ny tomponandraikitra nandritra izany.
“Tao anatin’ny lalao roa ho an’ny ekipa lehilahy sy ny lalao voalohany sokajy vehivavy dia nitaba fandresena foana hatreto ny ekipa voafantin’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy. teo amin’ny sokaly vehivavy, nandresy ny kaominina Ambohimangakely tamin’ny salan’isa 34 no 30 izy ireo. Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, ny lalao voalohany dia nandresy ny kaominina Ambohimangakely ihany tamin’ny isa 37 no 37. Tamin’ny lalao faharoa kosa, nandresy ny ekipan’i Sabotsy Namehana tamin’ny isa tery dia tery 51 no 50” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Mbola mitohy ny fifaninanana fa tsy mijanona eo ihany na dia efa nandresy aza. Mila ezaka sy fanohanana hatrany mba hahatongavana amin’ny tanjona irina hatramin’ny farany ao anatin’ny fifaninana” hoy i Nandrianina, mpilalao.
Marihina moa fa nandritra ny roa andro ity lalao ity, izay natao teny amin’ny kianja Sabotsy Namehana. Mbola hitohy kosa ny fifaninanana amin’ity herinandro ity.
Manitra R.
