ActualitésTatitra

Chine : Tsy hanatrika ny fihaonamben’ny G20 ny filoha

Tontosaina ny faran’ny herinandro izao ao New Delhi ny fihaonamben’ny G20 andiany faha-18. Raha ny tatitrin’ny mpitondra tenin’ny ministeran’i Chine, Mao Ming dia tsy hanatrika izany ny filohan’i Chine, Xi Jinping ary ny praiminisitra Li Qiang no hisolotena azy.

Tsy nisy kosa ny fanazavana manoloana io tsy fiatrehan’ny filoha ny fihaonana io. Nanamafy nefa ny mpitondra teny fa sehatra lehibe ho an’ny fiaraha-miasa ara-toekarena iraisam-pirenena  ny G20 ary ny praiminisitra no hampita ny hevitra sy ny toeran’i Chine ao anatin’izany.

Marihana ny fa ny G20 dia mampivondrona ireo mpisehatra ara-toekarena lehibe indrindra eran-tany. Hivondronana firenena 19 miampy ny Union européenne izany izay misahana ny 85% amin’ny harinkarena faobe sy ny roa ampahatelon’ny mponina maneran-tany.

Laisser un commentaire