Chine : Mpampiasa iray no nanova anarana sy nandidy ny mpiasany hanao toy izany koa
Niteraka resa-be tao Chine ity tranga iray ity. Lehiben’ny orinasa Lvdiquan Group izay « promoteur immobilier » iray ao Shandong i Liu Min. Nanova anarana ny tenany rehefa nifampidinika tamin’ny « maître feng shui » sy « géomancien » samihafa. Nilaza taminy ireo mpanolotsaina ara-panahy ireo fa hitondra vintana sy fahombiazana ho an’ny orinasany izany fanovana izany.
Marihina fa ny fanoratana no novaina tao amin’ny anaran’io lehiben’ny orinasa io raha mitovy ihany ny fanonona azy. Nilaza kosa izy taorian’ny fanovany anarana fa niha natanjaka sy niroborobo ny orinasany. Nosazian’io mpampiasa io ny mpiasa izay tsy nanonona ny anarany vaovao ary tsy vitan’izany fa nangataka tamin’ireo « maîtres » nandinika ny anaran’ireo mpanatanteraka tao amin’ny orinasany ihany koa i Liu Min.
Izay anarana tsy nankatoavina rehetra tao anatin’izany dia nasain’io mpampiasa io novaina avokoa ary fandroahana no setrin’izany mitsipaka izany. Izay nanaiky nanova ny anarany kosa dia nahazo toerana ambonimbony. Raha ny fanazavana dia efa dimy ireo mpanatanteraka nanova ny anarany.
