ActualitésTatitra

Indonésie : Mpianatra maromaro no nosolaina noho ny tsy fanaovana araka ny tokony ho izy ny « hijab »

Faritra maromaro mbola mpandala ny nentin-drazana ao Indonésie no mbola manaja ny fanaovan’ny vehivavy ny « hijab ». Tafiditra ao anatin’ny fanamiana izany any amin’ny sekolim-panjakana any amin’ireo toerana ireo ary tsy maintsy hisalorana.

Hentitra ny fepetra manodidina io saron-doha io ao amin’ireo toerana mbola manaja izany. Mpianatra 14 tao amin’ny kolejy iray tao Lamongan, ao amin’ny faritanin’i Java atsinanana no nosolain’ny mpampianatra azy ireo tamin’ny ampahany rehefa tsy nanao araka ny tokony ho izy ny « hijab ».

Manoloana ny tranga dia nitaraina ny ray aman-drenin’ireo mpianatra voakasak’izany. Nesorina tamin’ny toerany noho izany ilay mpampianatra ary nomena fanohanana ara-tsaina ireo mpianatra voakasika. Isan’ny nitaky izany fandroahana izany ihany koa ny mpitaky ny zon’olombelona tao an-toerana.

Laisser un commentaire