Imerikiasinina: Toerana iray mahafinaritra, azo hialana voly tsara
Fokontany iray mandrafitra ny kaominina Anjeva i Imerikiasinina. Ao anelanelan’ny kaominina Ambohimalaza sy Anjeva no misy azy. Toerana somary avo toerana, ary ahatazanana ireo vohitra maro manodidina no tena mampiavaka azy. Eo ihany koa ny hakanto sy ny filaminan’ny tontolo izay tena azo hialana voly tsara.
« Raha Imerikiasinina, anisan’ny tanàna manintona olona. Tena maro ireo mpitsika na mpitsangatsana tonga ety, indrindra rehefa faran’ny herinandro, maka rivotra na mitaiza vatana amin’ny fanaovana dia tongotra. Misy ihany koa ireo mpitondra moto, manao fifaninana » hoy i Xavier, tompon-tanàna.
« Anisan’ny olana sedrain’ny tanàna anefa ny tsy fananana tomponandraikitra misahana ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso ny toerana ka mahatonga ireo vahiny mpitsidika tsy hanaja ireo toerana fa mandoto sy manimba ny tanàna. Ohatra ao anatin’izany ny tsy fisiana toeram-pivoahana, kanefa toerana tokony hivoatra be satria maro mpitsidika » hoy hatrany ny fanazavana.
Mampalaza an’Imerikiasinina ihany koa ny trano lehibe izay fonenan’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana; ity farany moa izay toerana nihaviany, raha ny voalaza hatrany. Raha te ho amin’ny toerana moa dia ny zotra E na ny mampitohy an’Anjeva avy eo Ambohijatovo no andehanana.
Manitra R.
