Torohevitra: Fomba tsotra hanarenana ny tarehy reraka
Rehefa ao anatin’ny rotoroton’ny andavan’andro sy ny adin-tsaina ny olona iray, mety ho lahy na vavy, tanora sy ny efa nahazo taona dia hita eny amin’ny endrika eny ny havizanany ary manimba ny endrika izy io. Tsy tokony avela eo izany satria manfaingana ny fahanterana ka mila karakaraina ny vatana sy ny tarehy na dia eo aza izany rehetra izany.
Ny fikarakarana ny hodi-tava dia tsy tokony atao ambanin-javatra ho an’ny rehetra. Afaka manao izany avokoa na ny tanora na ny efa nahazo taona. Ny zavatra ilaina dia ny akora fampiasa isanandro ary natoraly, dia ny tain-kafe sy ny tapotsin’atody.
Tsotra ny fikarakarana azy. Maka tain-kafe eo amin’ny roa sotro fihinanana, afangaro amin’ny tapotsin’atody iray. Rehefa izay dia hosorana avokoa ny tarehy rehetra, hatrany amin’ny tenda, atao matevitevina fanosotra. Avela eo amin’ny tarehy hatramin’ny 10 minitra izay ka rehefa mihamaina dia mihaenjana amin’ny tarehy dia kobanina amin’ny rano matimaty. Avy eo hosorana manenka manamandina tarehy mahazatra. Ho hita avy hatrany ny vokany aorian’izay fa velombelona kokoa ny hodi-tava.
Matoky tena kokoa ny olona iray rehefa tsara ny zavatra eny aminy, indrindra ny tarehy madio sy mandimandina. Aza atao ambanin-javatra araka izany ny fikarakarana ny vatana.
Manitra R.
