France : Razana efa simba no hita niaraka tamin’ny fatin-tsaka 50 tao Isère
Nisehoana tranga hafahafa tao Vienne ao Isère. Mpiray vodirindrina tamin’ny lehilahy iray 67 taona no niantso ny manam-pahefana rehefa tsy nahita azy nandritra ny fotoana naharitra. Manoloana izany dia tonga tao an-tranon’io lehilahy ireo polisy, saingy ny fatiny efa simba nohodidinin’ny fatin-tsaka mahery ny 50 no novantanin’izy ireo.
Raha ny fanazavana dia efa herinandro maromaro teo io lehilahy io no namoy ny ainy ka heverina fa hanohanana no nahafaty ireo saka maro nanodidina azy. Mbola tsy fantatra mazava kosa ny nahafaty ilay lehilahy saingy efa eo am-panatontosana ny fitsirihana ny razana ireo tompon’andraikitra. Efa nanokatra fanadihadiana ihany koa ny manam-pahefana saingy mbola tsy nisy ny petra-kevitra naambaran’izy ireo.
