Lalam-pirenena faharoa: Olona 06 no maty, 25 naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana
Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Marovoalavo, kaominina Beforona, lalam-pirenena faharoa, ny faran’ny herinandro teo. Olona 6 no namoy ny ainy vokatr’izany raha 25 isa kosa ireo mbola manaraka ny fitsaboana, araka ny voalaza.
“Nandray an-tanana ny fitsaboana ireo naratra mafy ireo ny fitondram-panjakana taorian’ny nitrangan’ny loza ny alahady alin’iny ihany. Ny 13 tamin’ireo manaraka fistboana no tena naratra mafy. Ny 8 no voatery nampiakarina an-drenivohitra mba ahazo fitsaboana sahaza azy, ny roa nalefa any Toamasina, raha notazomina ato amin’ny hopitalinin’i Moramanga ny iray” hoy ireo mpitsabo nandray an-tanana ireo naratra.
“Maro loatra ireo lozam-pifamoivoizana niseho tato ho ato ary saika namono olona avokoa ny ankamaroan’ireo tranga niseho. Mila mandray fepetra ireo tomponandraikitra manoloana izany satria tsy fahampian’ny fanaraha-maso sy ny fandikan-dalana na ny olana ara-teknika samy hafa ny mahatonga izany. Matimaty foana ireo tsy manatsiny, mihorohoro ireo mpandeha sy mpampiasa ny lalana” hoy i Ginah, mpandeha zotra rezionaly.
Nandritra ity lozam-pifamoizana ity izany hatrany moa dia zaza ny iray tamin’ireo namoy ny ainy. Fiara telo no nifandona teo Marovoalavo tamin’izany; fiara mpitatitra avy any Toamasina ny roa ka nifandona tamin’ny fiara lehibe iray.
Manitra R.
