Ambohimangakely : Moto efa am-bolana maro tafaverina amin’ny tompony
Moto iray very tamin’ny 04 martsa 2023 no hita indray rehefa nanao ny ezaka sy ny fanadihadiana rehetra ny avy amin’ny zandarimaria avy ao amin’ny brigade Ambohimangakely. Moto an’ny mpitandrina iray avy ao an-toerana ihany ity hita ity, araka ny voalaza.
“Enim-bolana aty aoriana, nipoitra ny moto an’ny pasitera iray, rehefa nalain’olona tsy fantatra teo antokotanim-piangonana tao Ambohimangakely ny 04 Martsa 2023. Taorian’ny fikarohana niampy vavaka sesilany natao dia hita tamin’ny alahady teo ity moto very ity” hoy ny avy amin’ny brigady Ambohimangakely.
“Antso voarain’ny kaomandin’ny brigady no nahafantarana fa hanaovana taxi-moto teny Isotry ilay moto very. Nanomboka teo ny fikarohana sy ny fanadihadiana ireo mpampiasa azy sy ny nivarotra azy. Tamin’izay ihany koa no nahitana fa lazam-bidy hosoka no nampiasan’izy ireo tamin’ity moto ity ary mampiasa anarana magazay tsy misy ireo mpanao ratsy” hoy hatrany ny fanazavana.
Efa notanana am-ponja moa ilay mpivarotra niandohan’ity fanaovana hosoka ity ary atolotra ny fampanoavana. Naverina amin’ny tompony kosa ilay moto very, raha ny voalaza hatrany.
Manitra R.
