Social

Cuba : Nanandrana vaksiny vaovao tamin’ny mpiasa miisa 124 000

Nanomboka nanandrana vaksiny vaovao tamina mpiasa 124 000 isa indray i Cuba ny alatsinainy 29 martsa. Tetik’asa entina hanampiana ireo olona tena marofy manoloana ny valanaretina coronavirus ity natao ity hoy ny manam-pahefana ao an-toerana. Manodidina ny 19 hatramin’ny 80 taona avokoa ireo olona nanaovana andrana ireo. Marihina fa olona atahorana ho mitondra ny tsimonkaretina coronavirus avokoa ireto olona nanolo-tena hanaovana andrana vaksiny ireto. Etsy ankilan’izay ihany koa, olona manodidina ny 48 000 hafa no nanolo-tena hanandrana vaksiny iray hafa efa voamarina tamina andrana amin’ny laboratoara saingy tsy mbola nandramana tamina olombelona kosa. Tao Santiago, Cuba, Guantanamo ary Bayamo, atsinanan’i Cuba avokoa ny nanatanterahina ireo andrana 2 ireo. Tsy ireo ihany anefa no andrana nataon’i Cuba fa mbola misy ihany koa ireo efa natao ny herinandro lasa teo. Na izany aza anefa, isan’ny firenena ahitana tahana coronavirus kely indrindra i Cuba raha miohatra amin’ireo firenena hafa. Mitotaly ho 73 204 ireo marary raha toa ka 417 kosa ireo maty.

Laisser un commentaire