ActualitésTatitra

Italie : Volkano anaty rano telo no hita tao Sicile

Nandritra ny fikarohana nataon’ny ekipan’ny mpahay siansa iraisam-pirenena niaraka tamin’ny sambon’i Allemagne Meteor teo anelanelan’ny 16 jolay sy 5 aogositra 2023 dia nahita volkano anaty rano telo izy ireo. Tsy lavitry ny morontsirak’i Sicile, tao amin’ny andilan-tany mampisaraka ny nosy italienne sy Afrique du Nord no nahitana izany raha ny fanazavana.

Raha tsiahiviana dia nahita voklano anaty rano 6 ihany koa ireo vondrona mpikaroka ireo tamin’ny taona 2019. Miaraka amin’ireo efa voarakitra tany aloha noho izany dia mahatratra am-polony mahery eo ny volkano anaty rano hoy manam-pahaizana momba ny geofizika avy amin’ny OGS (océanographie et de géophysique expérimentale).

Raha ny fanamafisany kosa dia any amin’ny 100 hatramin’ny 400 metatrin’ny halalan’ny rano no misy ireo volkano 3 vao hita ireo.

Laisser un commentaire