ActualitésSocialTsidika

Anjeva : Manomboka ny fampidirana rano fisotro madio ao Ambohidrazana

Mitohy hatrany ny asa fampandrosoana, fampisitrihana rano fisotro madio isam-pokontany ao amin’ny kaominina Anjeva amin’izao fotoana izao. Efa manomboka ihany koa ny asa fampidirana rano fisotro madio ao amin’ny fokontany Ambohidrazana, araka ny voalaza.

« Mandray anjara mavitrika ny fokonolona amin’ny fanatanterahana ny asa fampidirana rano fisotro madio ny tanàna, amin’ny ady fototra, ny fitaomana ireo fitaovana isankarazany tao ny simenitra, fasika, vy, biriky,  fantsona sy ny maro hafa » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina ao an-toerana.

« Antenaina ho vita afaka roa volana ny asa izay mamatsy rano ny borne fontaine 12 isa ao anatin’ny fokontany. Ary hisaorana hatrany ny mpiara-miombon’antoka amin’ny famatsiam-bola enti-manatanteraka ny asa sy ireo fokonoloana amin’ny asa vatana sy ny firaisan-kina asehon’izy ireo » hoy hatrany ny fanazavana.

Ankoatra ity fampidirana rano fisotro madio eto amin’ny fokontany ity dia efa mamaraparana ny asa fanamborana ny rano fisotro madio ao amin’ny fokontany Manohisoa sy Anjeva gara, araka ny voalaza hatrany. Ahazo ny anjarany avokoa, amin’ny fisitrahana rano fisotro, moa ny fokontany rehetra ary efa misy ny lamina amin’ny fanatanterahana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire