UNICEF Madagasikara : nanolotra vahaolana amin’ny tsy fanjarian-tsakafon’ny zaza eto Madagasikara
Araka ny salan’isa voaray dia manodidina ny 42 isan-jaton’ny zaza Malagasy no tratran’ny fahataran’ny fitomboana vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo. Raha ny filazan’ny manam-pahaiza dia ny fahazaran-dratsy ara-tsakafon’ireo reny sy ireo zaza ary ireo ankizy no mahatonga io fahataran’ny fitomboana io. Ho fandraisan-tanana ity tranga ity dia nanolotra vahaolana indray ny UNICEF Madagasikara,amin’ny alalan’ny fanolorana sakafo feno sy ara-pahasalamana na ilay antsoina hoe « bol alimentaire ».
« Tsy mbola tapitra ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Efa nahitana fivoarana izany ny taona 2022 saingy mbola mitohy hatrany izany amin’ity taona ity. Ankizy manodidina ny 340000 isa no mbola mila fanaraha-maso ara-tsakafo any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy. Mila fanohanana izy ireo indrindra ireo izay efa anaty tsy fanjarian-tsakafo amin’ny tahany ambony.” Hoy ny avy amin’ny UNICEF
“ Bol alimentaire 20000 isa no efa nozarain’ny UNICEF sy ireo mpiara-miasa aminy tany amin’ireo toerana ahitana tranga-na tsy fanjarian-tsakafo be indrindra eto Madagasikara. Izany no natao dia ny hahamora ny fahazoan’ireoo zaza 6 hatramin’ny 23 volana sakafo ampy fatra sy tsara kalitao.” Hoy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny ady amin’ny fanjarian-tsakafo.
Ankoatran’ny hain-tany dia ady iray lehibe hatrehin’ny mponina any Atsimon’i Madagasikara ny tsy fanjarian-tsakafo. Zaza an’arivony maro no iharan’izany any an-toerana ka mifandrimbona ny Fanjakana sy ireo fikambanana maro mamaha ny ity olana ity. Ny tena angatahan’ireo mponina dia vahaolana maharitra satria dia olana maharitra sy efa tsy nahitam-bahaolana ela ity ka tsy ho voavahan’ny fanomezana fanampiana indraindray.
Miranto Andriharisoa
