Indonésie : Fiangonana iray tao Makassar lasibatry ny famonoan’olona faobe.
Katedraly iray no lasibatry ny andrana famonoan’olona faobe tao atsinanan’i Indonésie ny alahady 28 martsa. Olona tsy latsaky ny 14 araka izany no naratra mafy. Nandeha moto ny olona roa nitondra bomba ka niditra tao amin’ny tanànan’i Makassar, amin’ny nosin’i Sulawesi hoy ny manam-pahefana tao an-toerana. Nanamafy kosa ny minisitry ny filaminam-bahoaka, Mahfud MD fa andrana famonoan’olona faobe mihitsy io nitranga io. Fipoahana nanaitra ny manodidina iray manontolo no niseho tamin’io fotoana io. Maty teo no eo ireo lehilahy nitondra moto fa tsy nisy kosa ny aina nafoy ho an’ireo mpivavaka. Efa nosakanana tsy hiditra ny faritry ny katedraly ireo olona nitondra moto ireo raha ny fanazavan’ny teo anivon’ny polisy tao an-toerana. Tsy vao sambany ny tranga toy izao raha ao Indonesie manokana. Anisany tena lasibatra amin’izany ny fiangonana sy ireo mpivavaka noho ny antony izay tsy fantatra mazava mihitsy hoy ny manam-pahefana raha nanazava. https://www.youtube.com/watch?v=m653eu8UASU
