ActualitésTatitra

Belgique : Zazalahy iray no naratra mafy noho ny kaikitra alika

 Zazalahy kely 5 taona antsoina hoe Daryo no notafihan’ny alikan’ny raitampo ny reniny tao Estinnes-au-Mont. Raha ny fanazavana dia nilalao tao an-jaridaina niaraka ilay alika « berger australien » io zazalahy io saingy rehefa nandray baolina kely ilay ankizilahy dia notafihana sy nokakerin’ilay alika.

Nikikiaka mafy i Daryo ka taitra ny rainy ary ny tarehin’ilay zaza efa tao ambavan’ilay alika no novantaniny. Rehefa voasitony ilay alika dia nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana avy hatrany ilay zazalahy ary nampidirina tao amin’ny sampana vonjimaika. Raha ny fanamafisana dia simba ny tarehin’i Daryo ary tsy mbola niteny izy mandrak’androany.

Misy kosa ny sehatra ahafahana manome tolo-tanana ny fianakaviana amin’ny fitsaboana ao amin’ny « plateforme leetchi».

Laisser un commentaire